mardi 10 février 2009

DES CRIS ECORCHES!

Indro misy angovon-tsento teo am-panatrehana ny ADY MIZANA!
ny asabotsy fito febroary roa arivo sivy amby tetsy Antaninarenina.

Des cris écorchés!, originellement :
"Misy ireo mampiaka-peo" constituera un "bouquet de vers et de satires "
sur les événements politiques de Madagascar.

Nisy rovitra ny nofo!
Nisy ringotra ny Aina.

Nisy koa angamba
Fitia an-kianja
mandoro ao anaty
Ka tsy hay ny tsy hizara
fa hoe feno hery
tena vory, tena vonto
efa ela no nidradra
ka 'ndeha hiaka-dapa!
...

Nisy rovitra ny nofo!
Nisy ringotra ny Aina.

Misy maso feno jaly
manontany valy faty...
Misy fo toa mitoloko
tsy te intsony handatsa-dra!
fa hifindra monina any ... any!
hanaraka azy Tany.

Nisy sombitsombin-kehy
nokasaina hozaraina
hay nivalona izany
fa nitanila zara ny fihodin'ny Tany
mba sopatra an'izany!

Nisy rovitra ny nofo!
Nisy ringotra ny Aina.

Mbola misy ihany nofy mitapikitra any ho any
Misy nofy te hilaza fa io no tena Nofy an-tany.
Dia hitondra 'zao sy 'zao...
Tsy mahatsiaro kely akory fa
lay nofy teo aloha
ka niarahana nanovo
niarahana nikolo
Indro feno kalalao.

Nisy rovitra ny nofo!
Nisy ringotra ny Aina.
Misy mbola mihetraketraka.
Fa Masina ny Tany
Mihaino ny volana eny an-kianja
fa Izy mahalala sady mbola hanontany.

ADY MIZANA!

LAZAWELL andriamiariseta

Aucun commentaire: