vendredi 4 novembre 2011

Peace and JAH.

Peace and Jah

Tontolo lavitra fakampanahy
Voahary, voatahy
Lafatra, tretrika
Manovo hasina
Fa singan-Janahary
Voatsodrano,
Madio
Anaty
Sady vohodidina harem-panahy
Madio saina
Madio fitia
Manazava tontolo
ny anjara fanahy izay haborany.

Tontolo salanitra
Hivelaran'ny samy manitra
Tsy misy midongy
Tsy misy tia kely
Tsy voafaritra
Tsy mivonona hamaritra
fa ny fony mitempo
Dia vonona hizara

Zara fanahy
lavitry ny fanahiana
Zara fanahy
Zara vina
Zara aina
Velon'aina.
Miray petsapetsa
samy ravo, samy kotsa
ifamalian'ny tsimandrimandry

Mafana fijery
mifamatotra anaty
dia mifanotrona
sy mifanasina
tonga ny masina.

Tiana sy maharavo
Ny manorina tontolo vita rary
Mandala loatra
ny hitsiny
Mandravona ny rariny.
Tsy misy ankiafinafina.
Tontolo tsy refy
Tontolo sy fitia.
Tontolo
Vanona
Mampisy (peace)faka
Ny Fanahy.

Lazawell andriamiariseta - Moufia 974 - 14 h 00

Aucun commentaire: