lundi 13 décembre 2010

Le couple "rajoelina" : Entrée royale réussie dans l'Histoire.

DE L'AVENEMENT DE LA IV è REPUBLIQUE : AUDACE REPUBLICAINE SUR FOND DE ROYALISME

Le 11 décembre 2010 : Entre méconnaissance des rites protocolaires et usage à outrance de symboles

Le 11 décembre 2010 - L'AVENEMENT D E LA IV è REPUBLIQUE : De la communication, de la théatralisation au symbolisme culturel.

vive la IV è république !

elie rajaonarison : lasan-ko "razana" sy tandidy iombonana

mardi 30 novembre 2010

elie rajaonarison: RAZANA

Mifaka anaty eritreritra
fa mpizara aina, nofy
sady mpanonofy
nizara kanto,
ihany koa fanahy
tsinjoko ny masony mitazan-davitra
toa nahatsinjo lavitra fa lavitra ny làlana
isainana, iainana,

mandalà loatra fa isika rehetra mampitovy vina
raha hikasa ny ampitso
mandrindra ny fanahy dia ny ahy sy ny anao
ho tafaradàlana...hifampitsijo

ireny lohasaha, havoana,
ireo vohitra Angavo...
nitondrantsika avo ...hifehy avy any ambony
fa antsika ny eto dia isika ...
izaho sy ianao
isika ...


andao hanovo, hamaritra vina mampiray
trandrao, tsikarao fa ny angovo anatinao
harena,
fitia te hizara,
manambara
fa
izaho sy ianao olona afaka
mifanakalo, mifampikolo
mifanasina satria dia "samy masina".

izy raha nikanto
kely loatra raha i madagasikara
no nataony ho tokontaniny
fa
izy nihodina,
nampihodina,
nampihodina ny revy,
nampihodina ny bandy te hirevy
tany rehetra tany...
izy
nitondra Teny
teny rehetra teny...
izao tontolo izao nataony, kanto, abaka
tokontany nivelarany
dia zakany,
zakany...
fanahy dia ampy nanaingany...
fanahy.

fanahy dia ampy namondronany ny havia sy ny havanana
tsy hijanona ao anaty ireo sampanana
fa ny handroso...
handroso hanakatra ny lanitra...
ny lanitra
izay niniany notakarina
ary indrindra notriariny.
dia toa ny fangatahany
izy ilay efa voasoratra eny rehetra eny...
lazaina sy ambara fa faravohitra ny eto
ambohitsaina eto
fa izy mitoetra
velona fanantenana...
angovo tovozin-tsy ho ritra...
Izy.





de LAZAWELL andriamiariseta .