mercredi 29 décembre 2010

REVEILLONS 2010 : Sacré et profane s'y mettent!

MADAGASCAR : Au pays des généreux pour un pays de Généraux

DES GRAFITTIS SUR LES MURS : Entre pollution visuelle et regression d'une culture de dialogue

LITHURGIES F. J. K. M. : Une innovation mimétique peu convaincante!

lundi 20 décembre 2010

"zahay zafimaniry" ...vina niombonana sy asa hifandrimbonana

Antoetra,
aty ala misy isainana
fa izy tonga hanovo ny tsiron'ny tany
sy ireny papelika.
izy tonga nanovo
dia indro mizara Faliarivo
ny lalan-kely diaviny Ambohimanendrika
ny silam-panahiny, sophie any izany!
fa nisy eritreritra nandoro...sy tanety lava
nanenkina anaty dia injao tsy hay tohaina
fa niantso hoe andao...toa fanaiga lavitra...
dia iny izy roa manavatsava ireo dongon-tany
maka tsy taitra, maka vinany
mandrefy sahady ny fanantenany...lafatra ny any,
lafatra ny eto fa mavaza saina tsy matahotra alina,
dia ireny izy roa, manavatsava sy te hisavoana,
mihanoka loatra ilay nofy tsara voatra, nofy Behelatra,

fa nisy eritreritra nandoro...sy tanety lava
nanekina anaty dia injao tsy hay tohaina
fa niantso hoe andao...toa fanaiga lavitra.

ho any ...ho any lavitra any,
any Andepontany. Salanitra.
johary manantena sy fanantenan'ny velona,
nifampitady sy nikarajia tamin'ireo tady vavarana
ireo kolonga amin'izany maka tsy taitra
mitsiky sy ravo ary koa makafy ny tranon-tantely, manenika ny fo...

fa ny lanitra ny azy, mandonaka ny eto
mirojo an'alinalina...
toa satriny foana ho kotsa... fa ny abaka mantsy efa mifefy
ireo tranon-kala...
dia lafatra anaty,Ambohimitombo

fa nisy eritreritra nandoro...sy tanety lava
nanekina anaty dia injao tsy hay tohaina
fa niantso hoe andao...toa fanaiga lavitra.

ho any ...ho any lavitra any.


BIG UP!à Tsy Kanto - Tsy maninona de Lazawell andriamiariseta